Hiova fijery kely angamba isika amin’ity sehatra iray izay efa fantatry ny besinimaro ity. Amin’ny ankapobeny dia mizara sehatra maromaro ny antsoina hoe fitiavana fa ny fitiavana eo amin’ny olon-droa no ho resahina eto.
Ah, l’amour!
Isan’ny zavatra iray tena goavana miseho eo amin’ny fiainantsika ny antsoina hoe fitiavana indrindra rehefa tonga eo amin’ny fotoana hitsiriany izy, izany hoe ankehitriny dia manomboka eo amin’ny faha 13 taona eo izany, indraindray aza angamba mety ho lasa aloha?. Tsy fantatra. Maro ny zavatra ateraky ny antsoina hoe « fitiavana », ary ny matetika mpiseho no ho jerentsika eto aloha. Mety hisy ny fanontaniana manitikitika ny saintsika hoe inona no ilazana izany satria samy manana ny fiainany ny tsirairay ary efa samy nandalo izany ny tanora rehetra, marina izany saingy mety mba hisy azo saintsainina ihany angamba izay ho lazaina eto.
Ny fitiavana dia amin’ny fotoana tsy ampoizina no isehoany,indraindray mety ho eny an-dalambe, mety ho eny an-tsena,… n’aiza n’aiza rehefa mety toerana andehanana dia mety isehoany avokoa. tsy ho lava resaka amin’izay toerana isehoany angamba isika fa ny votoatiny no jerena. Indraindray dia toa lasa kilalao ny fitiavana ho an’ireo zatra manao izany, fa misy kosa anefa ireo tena tia, ny tena tia eto dia fitiavana matotra, mahay mandanjalanja ny tokony hatao.
Ny tena fitia dia miankina amin’ny fanehoan’ny tsirairay azy, saingy kosa misy zavatra maromaro izay tokony tsy ho adino rehefa mitia olona iray ianao: ny fahamatorana, ny fahatokisana, ny fanehoam-pitiavana, ny faharetana, ny fandeferana, « fidelité » sy ny maro hafa mety tsy ho voatanisa. Matetika dia tena miroborobo fatratra ny fitiavana eo amin’ny fiandohany ary tena mamaivay mihitsy, ary rehefa tena tafalatsaka ao am-po izy io dia toa mamy ery ny miaina, sa tsy izany?Toy ny zavatra ny zavatra rehetra anefa dia misy farany avokoa, tsy ny fitiavana no lazaiko hoe misy farany fa ny fomba fisehony, mety mihena miandalana izy nefa koa mety hitombo avo roa heny arakaraky ny tsirairay. Mazàna dia toa lasa famoizam-po indraindray ny hiafarany rehefa tsy voahaja na dia ny iray amin’ireo kely izay voalaza ireo fotsiny aza, ary dia tena mampalahelo ny fisehony eo amin’ny tanora sasany, mety efa maro angamba ny gazety milaza fa misy tovolahy na tovovavy namono tena etsy sy eroa. Tsy vahaolana ry zareo ny famonoan-tena, dia hahalany firy eo anefa e, gratos ny fitiavana fa tsy vidiana koa mahaiza mandanjalanja izay tokony hatao. Raha iray no tsy tia folo no manantona.
Amin’ireo izay zatra mpilalao hanenina ireny f’aza matahotra,ny tiako lazaina eto dia ny mampirafy, ny mapijaly sns…. Asa aloha na be loatra ny azy ny fitiavany ka tsy zakan’olona iray no mahatonga azy ireo hitady hafa atao fanampiny fa dia maro no diso fanantenana ka lasa manaonao foana. araka ny voalaza tery aloha dia tsy maintsy hisy farany ny zavatra rehetra, tsy maintsy hivaly amin’izy ireo ny zavatra ataony. Tsy hoe manozona akory fa mba mampitandrina fotsiny e!
Dia mahereza ry zareo a, ny nenina tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa, am-bava homana am-po mieritreritra e!
Filed under: Uncategorized | Leave a comment »