AHOANA NY REVIN’NY TANORA ETO MADAGASIKARA?
Amin’izao fotoana izao, arakaraky ny fivoatran’ny teknolojia eto Madagasikara dia tsara ny mampahafantatra antsika ny fivoatran’ny fialambolin’ny tanora. Ho jeretsika kely eto angamba ny fisehon’izany eo amin’ny karazan’ireo tanora roa misongadina amin’ny ankapobeny, dia ny tanora ambanivohitra sy ny tanora an- drenivohitra.
Matetika dia miainga amin’ny fomba fitaizan’ireo Ray aman-dreny sy ny fahefan’izy ireo ihany koa no ahafahan’ireo tanora mampivoatra tsikelikely ny fialambolin’izy ireo. Aoka anefa hazava fa tsy mitovy velively ny revin’ireo tanora eny ambanivolo sy ny andrenivohitra. Na dia efa tafiditra amin’ny taonjato faha XXI aza isika dia mbola misy hatrany ny mitana ny fomban-drazana.
Ho jerentsika aloha ny fomba fiaimpiainan’ireo tanora eny ambanivolo, tsy dia misy anefa izany fa noho ny tsy fahampian’ny fivoarana firy loatra dia mirona any amin’ny fanambadiana alohan’ny fotoana ry zareo,hany ka tsy dia misy firy izany atao hoe revy ankoatran’ny fanatanjahatena toy ny baolina, ny fahitalavitra…Tsy dia ampy revy ry zareo ny eny ambanivolo à!
Ny eto andrenivohitra indray dia iaraha-mahita, miankina amin’ny fahefan’ny tsirairay anefa, fa amin’izao fotoana izao dia toa mirona any amin’ny fivoahana amin’ireny alim-pandihizana ireny ny tanora, ny fiaraha-manala azy eny ankalamanjana akoatran’ireo manan-katao toy ny miditra casino sns…. Na dia izany aza anefa dia tsy ambaninjavatra ny fiompanana be dia be any amin’ny finday sy ny aterineto, ireo dia isan’ny tena ankafizin’ny tanora eto madagasikara eny fa na dia ireo efa mahazoazo taona aza.
Raha fehezina izay rehetra izay dia efa tsy tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny tanora malagasy,efa maharaka tsara ny revin-dry zareo vahiny isika e tsara saingy misy maharatsy azy ihany anefa satria indraindray variana loatra amin’ny revy ireo tanora sasany ka tsy mahatojo fianarana hatramin’ny farany. Tsara ny revy ry zareo fa ny tafahoatra tsy mety! Kozy e!
Archivé sous: Uncategorized
Merci @ lay blog…mbola tsy misy fotoana hamakiana azy za zao fa rehefa avy eo ok?
Tsara ny revy ry zareo fa ny tafahoatra tsy mety! Kozy e!
bizz
shoan
Resaka revy ve zany no ho atao eo amin’ity blaogy ity ry witched ? Hi hi - ataovy milay ary ny tsaky e lol
Somary mahagaga tokoa fa ny andrenivohitra ohatran’ny kely dia manao sipa ny ankizy nefa ela vao manambady raha oharina amin’ny any ambanivohitra lol.